Malagasy Hymn

Alina Masina


Alina masina, Tonga ny Mpanavotra;
Indro teraka ao Bethlehema
Ny Mpanjakan’i Jerosalema,
Izay mpamonjy anao
Izay mpamonjy anao


Alina masina, Ny anjely midina
Ka miara-mihoby hoe :
Indro ny fiadanam-be,
Jeso teraka izao
Jeso teraka izao


Alina masina, Nisehon’ny Zanaka;
Ny mazava niposaka,
Ka ny tahotra afaka;
Mifalia izao
Mifalia izao

 


Anao aho Tompo ô!


Anao aho Tompo ô! Reko ny feonao
‘Zay mitory ny fitiavanao ahy
Nefa mila hatsangan’ny finoana aho
Hanatonako Anao


Fiv:
Tompo ô! Ataovy manakaiky Anao
Sy ny hazo fijalianao aho
Manakaiky izany lanivohanao
Mivoa-drà ka hisaorako


Hafaliana manao ahoana Izany ora iray
Manatrika ny seza fiandriananao
Raha mandohalika hivavaka aho Tompo ô!
Hiresaka aminao sakaizako


Atokany ny fiainako Hanao ny asanao
Amin’ny hery sy ny fahasoavanao
Dia tohano ny fanahiko hibanjina amin’ny toky
Ka izay sitrakao no sitrako

 


Anao ny dera


Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray,
Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay
Ny fasana nivoha, noho ny herinao,
Ny Anaranao Tsitoha,tsy voatana tao.


Refrain
Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray,
Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay


Hinao nandresy, lao re ny fasana ;
Ny fanjakan’ny ota, koa lasana ,
Ny herin’ny Satana, vato nikodia,
Ny Anaranao nandresy, haharitra doria.