Malagasy Hymn

Midera ny Anaranao


1. Midera ny Anaranao
‘Zahay, ry Tompo ô!
Ka hira no ventesinay
Hoe: haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.


2. He! Voahombo Hianao
Nisolo heloka,
Ka mendrika hanaovanay
Hoe: haja, saotra, hery,
Mba raiso ho Anao.


3. Endrey! Ny fitiavanao
Endrey! Ny herinao,
Tra-pamonjena izahay,
Ka haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao.


4. Raha tonga ao an-danitra
‘Zahay mpanomponao,
Hitohy re ny hiranay
Hoe: haja, saotra, hery.
Mba raiso ho Anao

 


Misy hery ao amin’ny ra


Te ho afak’ota va ianao
Misy hery ao amin’ny Rà, Ao amin’ny Rà
Sitrakao va ny ho Levonin’ota
Mahagaga ny herin’ny Rà.


Ref
Misy hery, hery vaovao
Amin’ny Ràn’ny Zanak’ondry
Eny, ampy hanadio anao
ilay Rà sarobidy.


Te handositra Amin’ny rehaka
Misy hery ao amin’ny Rà, Ao amin’ny Rà
Ô, avia re fa ho afaka
Mahagaga ny herin’ny Rà.


Te ho fotsy ka hanjopiaka va ianao
Misy hery ao amin’ny Rà, Ao amin’ny Rà
Rano velona hanadio ny otanao
Mahagaga ny herin’ny Rà.


Maminao va hanompo ily Mpanjakanao
Misy hery ao amin’ny Rà, Ao amin’ny Rà
Hihira fiderana mahafinaritra ianao
Mahagaga ny herin’ny Rà.

 


Momba anay, ry Jeso Tompo o


1. Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
Fa maizina ny alina aty;
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !


2. Mandalo koa ny andronay ety ,
Ka mihalò ny fifalianay;
Miovaovao izao rehetra izao;
Ry tsy miova ô ! Mombà anay.


3. Aza mba mivahiny aminay,
Aza mihevitra ny helokay;
Aoka ho be ny famindranao fo;
Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.


4. Tsy mahaleo tena izahay,
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
Ety an-dasin’ny mpanomponao.


5. Ny teninao no fifalianay;
Ny masonao mitari-dalana;
Ary ny herinao no tanjakay;
Sakaiza tsara ô ! mombà anay.


6. Izay ombanao afa-tahotra,
Tsy mety kivy na mamoy fo ;
Tsy misy fahoriana izay
Haninona ny fo arovanao.


7. Rehefa tonga ny fotoana
Hitànay ilay ony maizina,
Aoka ny tavanao hazava ao,
Amin’izany re mombà anay.