Malagasy Hymn

Ry miaramila! mandrosoa izao


1. Ry miaramila! Mandrosoa izao,
Kristy Kapiteny mialoha anao;
Ao aloha tafika, loza, ratra be,
Fitsaharana tsy misy, misikina re.


Fiv :
Ry miaramila! Mandrosoa izao
Kristy Kapiteny mialoha anao.


2. Any lehy ratsy no manotrika,
Any ny tsipika no milatsaka;
Tano ny finoana ho ampinganao
Entonao ho fandresena Izao


3. Aza miamboho na miherika,
Ao an-tratranao ny fiarovana;
Aza mba matahotra, fa sahia fandrao
Raha tsy mandresy, dia ho resy hianao;


4. Dia mandrosoa hianao izao
Ka miraisa dia aminay ho ao
Milofosa fatratra, aza ketraka,
Miadia ny ady tsaran’ny Finoana


5. Kristy Kapiteny tapitra ohatra,
Izy no mpiaro ny mpanafika;
Miankina aminy mafy hianao,
Ka aza mba ny tenanao no itokianao:

 


Satria velona Izy


Tonga tety an-tany Jesosy
Ka maty mba hanavotra
Resy ny fasana ka foana
Io no porofo fa velona Jesosy


Ref
Tsy ahiako izay ho ampitso
Lasa avokoa ny tahotro
Eo an-tanany avokoa ny ho avy
Matoky aho satria velona Jesosy


Tsy miova mandrakizay Izy
Fa mbola tia mamonjy koa
Mamela sy manasitrana
Mbola miasa Jesosy fa velona


Rehefa hita ilay ony maizina
Hifarana ny androko
Dia hahita ny fahazavan’ny
Tavany satria velona Jesosy

 


Tafatsangana tokoa


1. Tafatsangana tokoa Haleloia
Jeso Kristy Tompo soa ! Haleloia
Maty nefa velona ! Haleloia
Mihirà ry olona ! Haleloia


2. Foana ny fasana Haleloia
Indro, Jeso velona ! Haleloia
Toky tsy mamitaka Haleloia
Mihirà ry olona ! Haleloia


3. Andro lehibe tokoa, Haleloia
Andro fihobiana, Haleloia
Afaka ny tahotra ! Haleloia
Mihirà ry olona ! Haleloia


4.Haja, laza, aterinay !Haleloia
Jeso ô, Mpanjakanay,aleloia
Raiso re ny saotranay Haleloia
Raiso koa ny tenanay ! Haleloia