Malagasy Hymn

He! Ry namako mahantra


He! Ry namako mahantra, Indro Jeso tompo tia,
Lay mpamonjy feno antra, No mitady ny mania,
Olom –bery tsy mba foiny, ka na diso aza re,
Mbola tia ny sy antsoiny Hanam-pifaliam-be.
Mbola tia ny sy antsoiny Hanam-pifaliam-be.


He! Fa tsy mba misy fetra, Ny homena lova soa,
Fa ny olona rehetra, Samy tiany avokoa;
Nefa izay be hataka andro, Dia hanenina tokoa;
Misy fetra ny fotona, Azo amindrana fo.
Misy fetra ny fotona, Azo amindrana fo.


Manatòna ankehitriny, Ry mpanota ory fo!
Mba hesoriny ny tsiny, Ka hadio indray ny fo;
Fa ny ota hosasany, Dia ho afaka avokoa,
‘Zany re no fikasany, Ka tsy maintsy to tokoa.
‘Zany re no fikasany, Ka tsy maintsy to tokoa.

 


Ilay andro noely voalohany


‘Lay andro Noely voalohany teo
Voalazan’anjely tao Betlehema
Miseho tokoa tamin’olona toe
‘Zay niandry alina


Chorus:
Noely! Noely! Noely! Noely!
Terak’izao Imanoela


Dia hitan’ireo ‘lay kintana soa
Tery antsinanana namiratra
Naharitra, narevaka teo
Io kintana be voninahitra io


Koa tamin’izay nisy olona koa
Voatao nahanaraka ‘lay kintana
Nitady izay Mpanjaka ireo
Sy hitsaoka ny Zaza vao teraka


Hoderaintsika ry havako ô
Ilay Tompon’izao tontonlo izao
Fa Izy tonga hanavotra
Sy hamonjy ny olona meloka

 


Indro ny Tompo Jesosy, jereo


1. Indro ny Tompo Jesosy, jereo,
Tena nihafy tokoa!
He! Fa nivesatra eso, jereo,
Mba hamonjena anao;


Fiv :
Indro Jeso, jereo Jeso,
Indro Jeso, jereo Jeso,
Izy izao dia mihevitra anao.
Indro Jeso, jereo.


2. Indro ny Tompo Jesosy, jereo,
Efa voahombo tokoa!
He! Fa nijaly tsy meloka teo,
Mba hamonjena anao;


3. Indro ny lefo-mandoza, jereo,
Nenti-namely ny Tompo!
He! Fa ny rany nirotsaka teo,
Mba hamonjena anao;