Malagasy Hymn

Jesosy no Mpiandry ny fiangonanay


1.Jesosy no Mpiandry
Ny fiangonanay;
Ny feon’Izy irery
No feo fantatray.
Ka tsy mba vala maro
Ny fiangonanay;
Iray tsy hay zaraina,
Tapahin-Tompo iray.


2. Iray no vatolampy
‘Zay iorenanay,
Iray no Fehizoro
‘Zay ikambananay,
Iray no Mofon’aina
fihinanay ety,
Iray no antenaina
Ho azonay ary.


3.Tabain’ny hevi-diso
Kanefa mbola iray;
Ny saina tsy mitovy
Tsy mahazara anay;
Fisoko maromaro,
Kanefa vala iray;
Ny Tompo no mpiaro
Ny fiangonanay.


4. Ny teny samihafa,
Ny fomba tsy miray,
Tsy misy maharava
Ny fikambananay,
Ny fanenjehana aza
Vao mainka mampiray
Sy mahatsara laza
Ny fiangonanay.


5. Ry Jeso! Hatanjaho
Ny fiangonanao.
Ny fony halalaho
Mba hitoeranao;
Izay firaisan-tsaina
Miseho hatrety,
Velomy hanana aina
Hitohy hatrary.

 


Lehibe ny fahatokiana


Andriamanitra ô, Ray be fiantra
He, lehibe tokoa ny antranao
Tsy misy vonjy re raha lavitra Anao
Ny famindram-ponao mandrakizay


Chorus
Tsy manam-paharoa ny famindram-ponao
Tsy manampetra ny fitiavanao
Hianao Jehovah ô no antenaiko
Anjarako Ianao mandrakizay


Ny fahavaratra sy lohataona
Ny masoandro sy ny volana
Izao rehetra izao dia manambara
Ny famindram-ponao mandrakizay


Famelan-keloka sy fitahiana
No mampifaly ny fanahiko
Fanantenana sy hery vaovao re
Atafinao ny fo Jehovah ô!

 


Mamafaza voa


1. Mamafaza voa, ka aza mba malaina,
Fa tsy fantatrao re izay ho vanona;
Na amin’ny hariva, na amin’ny maraina,
Mamafaza voa tsy mijanona.


Fiv
Matokia re, matokia re,
Hisy amboara ho anao anie!
Matokia re, matokia re,
Hisy amboara ho anao anie!


2. Mamafaza voa amin’ny mahantra,
Ka aza mba mifidy izay hasian-tsoa;
Fa ny fo mazoto sady feno antra
Dia homen’ny Tompo valisoa tokoa.


3. Mamafaza voa amin’ny malemy,
Ary mba ampio izay reraka ao am-po;
Asehoy Jesosy loharanon-kery,
Ao no anovozy izay ilain’ny fo:


4. Miasà, sakaiza! milofosa tsara
Dieny misy asa azonao atao;
Matahora sao tsy vita ilay anjara
lzay napetraky ny Tompo aminao.