Malagasy Hymn

Injany, hiran danitra


1. Injany hiran-danitra
Misasak’alina;
Lokanga volamena e,
Tendren’ny masina!
Ny tany dia nangina re,
Nandre ny hira vao;
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana.


2. Ny hiran’ny anjely re
Tsy mba mitsahatra,
Ary ambony rahona,
Ireo masina
Mitendry ny lokangany
Am-pihobiana!
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana!


3. O! ry mivesatra entana,
Ry malahelo ô!
Mba andrandrao ny lanitra,
Henoy ny hira vao!
Ny hiran’ny anjely re
Dia mampiadam-po.
O! mitsahara hianao
Hihaino azy izao!


4. Ny andron’ olombelona,
He fandalovana!
Kanefa hisy tany vao
Izay haharitra.
Endrey ny fiadanana
Ary rahatrizay!
Ny hiran’ny anjely re
Hiredona indray!

 


Inty ny olonao, Jeso Tompo ô


1. Inty ny olonao, Jeso Tompo ô,
Fa nandre ny antsoano
He, maniry mba hotarihinao
Ho akaikinao kokoa.


Fiv :
Mba tariho aho, Jeso Tompo ô!
Mba ho olonao tokoa.


2. Tsy ny sitrako, fa ny sitrakao
No iriko mba hatao,
Fa navotanao ny mpanomponao
Ka manaiky ho Anao.


3. Raha mitokana mba hivavaka,
Ka miresaka Aminao,
Velombelona ny fanahiko,
Tafakambana Aminao.


4. Raha avy re izay hodiako,
Hody Aminao indray,
Ao ny saiko vao tena afa-po
Tonga ao an-tranon-dRay.

 


Isaorana anie Andriamanitsika


1. Isaorana anie Andriamanitsika,
Fa fitahiam-be omeny ho antsika
Hatreo ambohoka Ka mandraka antitra
Isika henika Ny soan’ny lanitra !


2. Tsy mety tapitra na lany ny hareny,
Tsy hita faritra ny sisa izay homeny ;
Fanahy sambatra Sy fo miadana
No efa santatra Izay ananana !


3. Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,
Derain’ny masina ho Tompo iray tokoa ;
Andriamanitray Be fahasoavana
No anateranay Izay fisaorana !

 


Iza no hanoa ny Tompo lehibe?


1. Iza no hanoa ny Tompo lehibe ?
o hanaja Azy tsara re ?
Iza no hitady olon-kafa koa,
Mba hanaiky sy handray ny Tompo soa ?
Indreto, Jeso Tompo! izahay izao
Avy mba hanompo, avy ho Anao


2. Tsy an-tery re no ilatsahana
Toy ny olom-bery nadevozina;
Ta-hanompo tsara izahay izao
Ta-hamelkoa izay toherinao :
Eny, Jeso Tompo! ta-hanao tokoa
Izahay mpanompo izay nasian-tsoa.


3. Na dia ta-hanompo aza izahay,
Be ny fahavalo iadianay;
Izahay malemy feno tahotra,
Mba tsy horeseny, manampianay,
Kapiteny sahy! entonao izao
Mba hitomban-dahy ny mpiadinao.


4. Mafy re ny ady, maro be no voa,
Misy tsy mahandry, be ny maty koa;
Izahay mpanompo miandrandra Anao;
Tompo izay tsy toha! mba herezonao :
Tompo manan-kery! hatanjahonao
Izahay, sao very ka afaka aminao.