Malagasy Hymn

Andriamanitra he mahagaga


1.Andriamanitra he mahagaga
Ny zavatra nataon’ny tànanao
Ny kintana ny kotrokoran’andro
Ampisehoanao ny herinao


Ref
Midera Anao Andriamanitra ô}
Fa lehibe tokoa Ianao }bis


2.Raha mitsangatsangana an’ala
Ka mahare ny hiram-borona
Sy rivotra mitsoka moramora
Ary mahita tendrombohitra


3.Raha tsaroako fa Jeso Tompo
Natolotry ny Ray an-danitra
Ho avotra noho ny fahotako
‘Zay vita tao Golgota avokoa


4.Ho tonga indray Jesosy Tompo soa
Hitondra ahy ho any an-danitra
Hiondrika aho sy hitsaoka Azy
Andriamanitra ô fa lehibe

 


Andriananahary Masina indrindra


1.Andriananahary masina indrindra!
Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
Mifamaly hoe : Masina indrindra
Andriananahary, Telo Izay Iray.


2. Andriananahary masina indrindra!
Na tsy hita aza izao ny voninahitrao!
Masina indrindra Hianao irery.
Andriananahary, Telo Izay Iray.


3. Zava-manana aina samy mankalaza
Sady manambara Anao Izay Tompony izao;
Hianao irery no mitahy azy,
Andriananahary, Telo Izay Iray.


4. Andriananahary feno hatsarana!
He ny fitahianao izay mpanomponao.
Tsara dia tsara ny omenao azy
Andriananahary, Telo Izay Iray.


5. Andriananahary masina indrindra!
Izahay mpanomponao ta-hankalaza Anao;
Feno fahendrena, feno fiantrana,
Andriananahary, Telo Izay Iray.


Ao ny lanitra tsara tokoa


1. Ao ny lanitra tsara tokoa
Izay fonenana mandrakizay,
Tany be hasambarana koa;
Ao isika hihaona indray.


Fiv :
Mifalia, mihobia,
Fa ao isika mihaona indray
Mifalia, mihobia,
Fa ao isika mihaona indray


2. Ao ny lova izay mamin’ny fo
Sy fiainana mandrakizay,
Voninahitra tsy mba ho lo;
Ao isika hihaona indray:


3. Ao ny Ray, Loharanon’ny soa,
Hovantanina rahatrizay,
lzay hampiditra hoe: mandrosoa!
Ao isika hihaona indray:


4. Ao ny Zanaka be indrafo
Izay nijaly taty fahizay;
Nefa tsy mba nahita ny lo.
Fa efa velona mandrakizay:


5. Ny Fanahin’ny Ray ao tokoa.
Izay mitarika antsika izao
Sy mananatra antsika ho soa
No mitondra antsika hankao:


6.Matokia, miravoa, mifalia,
Fa azontsika ny lapan’ny Ray:
Miderà , mihirà , mihobia.
Fiadanana mandrakizay:

 


Avia, ry mino


1. Avia, ry mino! Hifaly sy hihoby,
Avia, avia hankany Betlehema;
Teraka Jeso, Tompon’ny anjely;


Fiv :
Avia hitsaoka Azy (x3)
Izay Tomponao!


2. Tompon’ny tompo, Andriananahary,
Nefa mba zana- behivavy koa;
Zanak’i Maria, Nefa Zanahary;


3. Derao, ry anjely, Mihobia mafy,
Ry mponina an-danitra ao ambony ao!
Dera sy laza Atolory Azy;


4. He, arahaba, Tonga aty an-tany
Ny Tompo, Mpamonjy sy Mpanjaka koa,
Tenin’ny Rainy Voatafy nofo,