Malagasy Hymn

Jeso ô mpitia Anay


1. Jeso ô, Mpitia anay !
Maminay ny teninao,
Osa ny fanahinay,
Fa mahery Hianao :


Fiv :
Mamy, ry Jeso !
Mamy, ry Jeso !
Mamy, ry Jeso !
Ny fitiavanao.


2. Jeso ô, Mpitia anay !
Mahadio Hianao ;
Ka ny halotoanay,
Aoka ho voasasanao.


3. Jeso ô, Mpitia anay !
Tompon’aina Hianao ;
Maro ny aretinay,
Nefa samy afakao.


4. Jeso ô, Mpitia anay !
Aoka hotarihinao ;
Aza mba mandao anay,
Mandra-pahafatinay.

 


Jesô Tompo lehibe


1. Jeso Tompo lehibe
Iraky ny Rainy ;
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy !


Fiv :
Jeso tia, Jeso tia
Maty voahombo ;
Maty tany Kalvary,
Maty re ny Tompo !


2. Ory loatra fahizay,
Zanak’ondry mora ;
Maty mba ho solonay
Sady voakora !


3. Nalahelo, be nanjo,
Nefa tsy nanota
Fa nijaly sitrapo
Tany Golgota !


4. Jeso no Mpamonjy tia
Nahafoy ny ainy
Mba hamory ‘zay mania
Hody amin-dRainy !

 


Jeso Vatolampinay


1. Jeso Vatolampinay !
O! arovy izahay,
Ka ny fonay mba sasao,
Manafaha anay izao,
Mba tsy hisy izay hanjo
Olon-tsy mahitsy fo.


2. Tsy ny asa izay atao
Mahatò ny didinao ;
Tsy ny hazotoam-po
No mahazo manadio ;
Tsy ny ranomasonay
No mahafa-trosa anay.


3. Tsinontsinona izahay,
Sady be ny helokay ;
Ry Mpiaro lehibe,
Jeso Tompo ! Mamonje,
Fa miankina aminao
Izahay mpanomponao.


4. Tomoera aminay
Raha ho faty izahay,
Ary raha hiakatra ao
Mba hiseho aminao,
Jeso Vatolampinay !
O ! arovy izahay.