Malagasy Hymn

Indro ny Tompo Jesosy, jereo


1. Indro ny Tompo Jesosy, jereo,
Tena nihafy tokoa!
He! Fa nivesatra eso, jereo,
Mba hamonjena anao;


Fiv :
Indro Jeso, jereo Jeso,
Indro Jeso, jereo Jeso,
Izy izao dia mihevitra anao.
Indro Jeso, jereo.


2. Indro ny Tompo Jesosy, jereo,
Efa voahombo tokoa!
He! Fa nijaly tsy meloka teo,
Mba hamonjena anao;


3. Indro ny lefo-mandoza, jereo,
Nenti-namely ny Tompo!
He! Fa ny rany nirotsaka teo,
Mba hamonjena anao;

 


Injany, hiran danitra


1. Injany hiran-danitra
Misasak’alina;
Lokanga volamena e,
Tendren’ny masina!
Ny tany dia nangina re,
Nandre ny hira vao;
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana.


2. Ny hiran’ny anjely re
Tsy mba mitsahatra,
Ary ambony rahona,
Ireo masina
Mitendry ny lokangany
Am-pihobiana!
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana!


3. O! ry mivesatra entana,
Ry malahelo ô!
Mba andrandrao ny lanitra,
Henoy ny hira vao!
Ny hiran’ny anjely re
Dia mampiadam-po.
O! mitsahara hianao
Hihaino azy izao!


4. Ny andron’ olombelona,
He fandalovana!
Kanefa hisy tany vao
Izay haharitra.
Endrey ny fiadanana
Ary rahatrizay!
Ny hiran’ny anjely re
Hiredona indray!

 


Isaorana anie Andriamanitsika


1. Isaorana anie Andriamanitsika,
Fa fitahiam-be omeny ho antsika
Hatreo ambohoka Ka mandraka antitra
Isika henika Ny soan’ny lanitra !


2. Tsy mety tapitra na lany ny hareny,
Tsy hita faritra ny sisa izay homeny ;
Fanahy sambatra Sy fo miadana
No efa santatra Izay ananana !


3. Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,
Derain’ny masina ho Tompo iray tokoa ;
Andriamanitray Be fahasoavana
No anateranay Izay fisaorana !