Malagasy Hymn

Aza manadino ahy


1. Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!
Aza mba manary ahy
Hanalavitra Anao;
Mitodiha ry Mpanjaka!
Ka Jereo ny olonao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!


2. Hianao no fiereko,
Vatolampy, heriko!
Na kamboty aza aho,
Faly manana Anao;
Afa-tahotra ny foko,
Raha miandrandra Anao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!


3. Eny Hianao no Raiko,
Ka hatoniko izao;
Nefa ny fahadalako
Aza mba heverinao;
0! ampifalio aho,
Ka ombay ny elatrao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!


4. Tabataba lalandava
No mba hitako izao,
Ka izaho te-ho tonga
Ao am-pitsaharanao-,
Mitenena, ry Jehovah!
Mamalia ahy izao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!

 


Aza mba mandalo ahy


1. Aza mba mandao ahy, Ry Mparnonjy ô!
Aza mba manary ahy, Jeso Tompo ô!


Fiv :
Ry Mpanjaka, Mihainoa re!
Mamonje fa mitaraina Ny vahoakao.


2. Fantatrao fa malahelo Ny mpanomponao;
Raha mbola eto aho, Mba tsinjovinao:


3. lndro! fa miandry eto Ny navotanao;
Aoka tsy mba halahelo, Mba falio izao:


4. Eny, manomeza hery Mba ho ahy re,
Ka hahery sy handresy Ny mpanomponao:

 


Derao ny Tompo lehibe


1. Derao ny Tompo lehibe
Nahary izao rehetra izao
Haleloia, Haleloia,
Ny lanitra sy tany koa
Samia midera avokoa,


Ref
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !(Amena)


2. Ry fo voadion’ny ràny soa,
Ankalazao ny Tompo tia !
Haleloia, Haleloia,
Ry voavela heloka ô,
Tsarovy re ny indrafo,


3. Miraisa fo ka miderà
Fa izy niahy hatrizay,
Haleloia, Haleloia,
Derao ny Ray sy Zanaka
Sy ny Fanahy Masina,