Malagasy Hymn

Ry Jeso Tompo Tsara o


1. Ry Jeso Tompo tsara ô!
Tsy azoko valiana
Izato fitiavanao
Manafa-pahoriana.
He, sambatra aho, Tompo ô!
Fa manana Anao izao,
Izay tsy mba mety sosotra,
Na faly hampitahotra,
Ka Hianao no tokiko
Sy foto-pifaliako.


2. He, isam-pahoriana
Izay niantsoako Anao,
Dia efa novaliana
Ny hataka izay natao.
Ny heloko navelanao,
Ny foko nohavaozinao,
Ny loza nosakananao,
Ny ngidiny nesorinao;
Ny aim-baovao iainako,
Ka velona ny heriko.


3. Ka amin’izao sisa izao,
Mikasa aho, Tompo ô!
Hanao izay nohafaranao,
Hanaraka Anao am-po.
Satana dia holaviko;
Hafoiko izao tontolo izao,
Rafesiko ny nofoko,
Fa Hianao, Mpamonjy ô!
Mpanavotra tsy foiko,
No sisa hotompoiko.

 


Ry Kristy ô, Mpanjakako


1. Ry Kristy ô, Mpanjakako!
Ny foko ho Anao,
Ny feoko hasandratro
Hihira ho Anao.


2. Mba raiso ny fanahiko
Hanao ny sitrakao;
Ny tenako, ny heriko,
Dia ento ho Anao.


3. Ny tongotro, ny tanako,
Hiasa ho Anao;
ny androko, ny volako,
Omeko ho Anao.


4. Izaho dia tsy mendrika
Anao, ry Tompo ô!
Kanefa re, mba raisonao
Ny foko ho Anao.

 


Ry Kristy ô, Mpanjakako


1. Ry Kristy ô, Mpanjakako!
Ny foko ho Anao,
Ny feoko hasandratro
Hihira ho Anao.


2. Mba raiso ny fanahiko
Hanao ny sitrakao;
Ny tenako, ny heriko,
Dia ento ho Anao.


3. Ny tongotro, ny tanako,
Hiasa ho Anao;
ny androko, ny volako,
Omeko ho Anao.


4. Izaho dia tsy mendrika
Anao, ry Tompo ô!
Kanefa re, mba raisonao
Ny foko ho Anao.