Ny foko ry mpamonjy
1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Mangetaheta Anao ;
Maniry lalandava
Hikambana aminao !
Fiv :
Tsy afaka ao am-poko
Ny faniriana Anao ;
Oneno re ny foko
Ho lapanao !
2. Ny androm-pahoriana,
Raha lapanao ny fo,
Manjary fitahiana
Izay manadio ny fo !
3. Ny ora fifaliana
Raha ao anilanao,
Mamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao !
4. Ho lao ny fahotako
Raha akaikezinao,
Tsy misy hadalako
Izay tsy afakao !
5. Finaritra ny saiko
Raha ipetrahanao,
Fa reraka ny aiko
Raha alavirinao !
Ny Lanitra ao Ambony Ao(Lyngham)
1. Ny lanitra ao ambony ao,
Andriamanitra ô!
Andriamanitra ô!
Izay rehetra vitanao
Dia mahagaga anay
Dia mahagaga anay
Dia mahagaga anay.
2. Ny volana aman-kintana,
Ny masoandro koa
Ny masoandro koa
Ny tany aman-danitra
Mitory avokoa
Mitory avokoa
Mitory avokoa.
3. Ny andro aman’alina
Milaza aminay
Milaza aminay
Fa hendry Andriamanitra,
Jehovah Tomponay
Jehovah Tomponay
Jehovah Tomponay.
4. Ny tenanay, fanahy koa,
Dia avy taminao,
Dia avy taminao,
Ka mampiseho tsara koa
Ny voninahitrao
Ny voninahitrao
Ny voninahitrao.
5. Izay rehetra vitanao
Aty sy any koa
Aty sy any koa
Miara-mankalaza Anao,
Fa Tompony tokoa
Fa Tompony tokoa
Fa Tompony tokoa.
O! miasa, sakaiza
1. O! miasà, sakaiza,
Jeso no herinao;
Na misy mafy aza,
Izy tsy handao.
Dia matokia tokoa,
Fa Jeso momba anao.
Ka hisy voka-tsoa
Hifalianao.
2. Maro ny andro lasa
lzay tsy nanaovanao,
Ka mbola be ny asa
lzay tsy vitanao,
Koa dia mitsangàna
Hanao tokoa izao,
Hahavitanao tsara
Ny anjaranao.
3. lndro, fa mihariva,
Fohy ny andronao;
Moa tsy mba fantatrao va
Ka tsy hitanao?
Eny, fa manakaiky
Jeso Mpitsara re,
Ary efa ‘mby akaiky
Ny hodianao.
4. Rehefa tonga Jeso,
Tompon’ny asanao,
Ary hamaly soa
Ny mpiasany.
Mandrakizay doria
No hifalianao,
Raha mpanompo tsara
Mahatoky e!