Malagasy Hymn

Ny eo akaikinao ry Ray


1. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No mamiko izao,
Hanjary tena tafaray
Ny foko sy ny Anao
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao;
Ny hazo fijaliana
Ho tonga maivana.


2. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No herin-janakao;
Hianao irery no mahay
Manampy ahy izao.
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao;
Ny ota tsy hanapaka
Ny olona afaka.


3. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No mandako tokoa;
Ny ratsy dia tsy hahay
Handrombaka ahy koa.
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao;
Ny ora izay manjombona
Ho fiadanana.


4. Ny eo akaikinao, ry Ray,
No fifaliako izao,
Ny tanako dia hifandray
Amin’ny tànanao.
Soa re, ry Raiko ô!
Raha eo anilanao:
Fenoinao fanambinantsoa
Ilay kapoakako.

 


Ny fitiavan’ny Mpahary


1. Ny fitiavan’ny Mpahary
Tsy takatra heverina
Hatraoy an-dapany izany,
Ho ren’ny farahidiny
Ny zanaka malalany,
Nirahin-dray tety
Hijaly sy hanavotra
Antsika izay nania


Ref
Ny fitiavan’ny Mpahary
Antsika olony
Dia indrafo tsy hita lany
Mandrakizay doria.


2. Mihelina ny androntsika
Miova izao rehetra izao
Na dia maro tsy hita isa,
Nandà ny famonjena soa
Tsy lany hahavita re,
izany soratra
Ny amin’i Jehovah Ray,
izay be fitiavana

 


Ny foko ry mpamonjy


1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Mangetaheta Anao ;
Maniry lalandava
Hikambana aminao !


Fiv :
Tsy afaka ao am-poko
Ny faniriana Anao ;
Oneno re ny foko
Ho lapanao !


2. Ny androm-pahoriana,
Raha lapanao ny fo,
Manjary fitahiana
Izay manadio ny fo !


3. Ny ora fifaliana
Raha ao anilanao,
Mamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao !


4. Ho lao ny fahotako
Raha akaikezinao,
Tsy misy hadalako
Izay tsy afakao !


5. Finaritra ny saiko
Raha ipetrahanao,
Fa reraka ny aiko
Raha alavirinao !