Malagasy Hymn

Namely Mafy Loatra

1. Namely mafy loatra
Ny henatra aman-tahotra,
Tsy afaka ny haizim-po
Fa mbola tao ny heloko


2. Nandroso aho nivavaka
Ry Jeso ô, Mpanavotra,
Izao no angatahiko :
Mba mamelà ny heloko !


3. Izaho tsy hiahotra,
Ny tenako atolotro,
Izay rehetra ananako
Anao, Mpamela heloka !


4. Ny tahotra dia levona,
Ariako ny henatra,
Satria mandre ny feonao hoe :
« Voavelako ny helokao ! »


5. Endrey ny hafaliako
Izay velona ao anatiko !
Ka sahiko ny hanao hoe :
« Voavelanao ny heloko ! »

 


Njay reko Tompo ô


1. ‘Njay reko Tompo ô! ‘Njay re ny feonao
Miantso ahy Hianao hankany Kalvary;


Refrain :
Tompo lehibe! Raiso aho e;
Mba sasao ny ranao soa Izay tao Kalvary.


2. Malemy aho e, Ka mitaraina hoe:
Vonjeo ny aiko Tompo ô! Vonjeo ny olonao.


3.Ny fiadanam-po Mandresy ny manjo
Esorinao ny tahotro, Ry Tompo ô Vonjeo


4.Mpanota tsy manda, Ry Tompo mamela
Ny fahotako lehibe Ifonako tokoa


5. Ny foko tsy madio Mba diovinao, anio;
Maloto aho, Tompo ô! Sasao ho voadio


6. Ny foko no sasao Ka diovinao izao
Ny fahotako marobe Levony avokoa!

 


Nomeko ho Anao


Nomeko ho anao, Ny rako masina,
Hanavotra anao, Izay tsy marina!
Ka dia mba inona izao No ahy taminao!
Ka dia mba inona izao No ahy taminao!


Heveronao ange, ny nisoloana anao;
Nangidy indrindra anie, ny nahazoana anao;
Hevero, ka lazao,lazao, izay mba nentinao
Hevero, ka lazao,lazao, izay mba nentinao


Izaho Tomponao, Nijaly mafy re,
Hanafaka anao, Mpanota lehibe:
Ka dia mba inona izao, No ahy taminao!
Ka dia mba inona izao, No ahy taminao!


Jesosy Tompo ô! Izao no teniko;
Atolotro ho Anao, Ny aiko sy ny fo;
Izany no isaorako, Anao Mpamonjiko
Izany no isaorako, Anao Mpamonjiko


Nafoiko ho anao, Ny zava-tsoa be,
Mba hanatonanao, Ny Raiko lehibe.
Ka dia mba inona izao No ahy taminao!
Ka dia mba inona izao No ahy taminao!


Ny vonjy lehibe, Nataoko ho anao,
Ny rako nitete, Hanadio anao;
Ka dia mba inona izao No ahy taminao!
Ka dia mba inona izao No ahy taminao!


Ny foko raisonao, Oneno hatrety,
Ataovy lapanao, Na eto na ary;
Dia tano aho, Tompo ô! Mba ho fanananao
Dia tano aho, Tompo ô! Mba ho fanananao