Mamin’ny foko, ry Jeso ô
1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô,
Ny famonjena izay vitanao ;
Ny hadisoako navelanao
Tena afaka aho mandrakizay !
Fiv :
Jeso malala ô,
Mpamonjy soa !
Indro ny aiko raiso ho Anao ;
Velon-kanompo,
Velon-kanoa,
Vonon-kanao izay sitrakao !
2. Tano ny foko, ry Jeso tia,
Zaza tsy mahasaraka Anao ;
Mbola malemy mora mania,
Tano hifikitra ao aminao !
3. Aoka ny foko sy ny fonao
Hiara-mitempo tena iray ;
Aoka ny saiko sy ny sainao
Hiray safidy mandrakizay !
Maniry mafy aho
1. Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo fijalianao ;
Tsy misy toeran-kafa re ‘zay tena mamiko,
Ny hazo fijalianao no fiarovako !
2. Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro,
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô, fa afa-keloka !
3. Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako ho hazavain’ny tavanao ;
Ataoko fatiatoka ny zava-mora lo,
Ny hazo-fijalianao no tombon-dahiko !
Mba taomy aho e
1. Mba taomy aho e,
Ry Tompo ô !
Ho tonga zanakao
Madio am-po.
Mba taomy aho e,
Ho tia Anao tokoa !
Ny fo atolotro
Mba raisonao.
2. Tariho aho e,
Ry Jeso ô !
Aza ilaozanao,
Fa be manjo.
Trotroy an-tratranao
Ny ondrikelinao
Ka ento mody izao
Ilay nania.
3. Diovy aho e,
Fanahy ô !
Diniho sy hazavao
Ny toetro.
Diovy aho e,
Ny fo ovay ho vao,
Ka ny fanahiko
Onenonao.