Malagasy Hymn

Tafatsangana tokoa


1. Tafatsangana tokoa Haleloia
Jeso Kristy Tompo soa ! Haleloia
Maty nefa velona ! Haleloia
Mihirà ry olona ! Haleloia


2. Foana ny fasana Haleloia
Indro, Jeso velona ! Haleloia
Toky tsy mamitaka Haleloia
Mihirà ry olona ! Haleloia


3. Andro lehibe tokoa, Haleloia
Andro fihobiana, Haleloia
Afaka ny tahotra ! Haleloia
Mihirà ry olona ! Haleloia


4.Haja, laza, aterinay !Haleloia
Jeso ô, Mpanjakanay,aleloia
Raiso re ny saotranay Haleloia
Raiso koa ny tenanay ! Haleloia

 


Tany finaritra


1. Tany finaritra
Tarafin-danitra,
Mirana ny mpivahiny ao ;
Injao fihobiana
Am-pandehanana
Mankany ny Paradisa izao !


2. Andro mihelina
Tao-mitsingerina
Ifandimbiasan’ny olona ;
Tsy lefy hanitra
Ny soan’ny lanitra
Mamelon-kira velona !


3. Teny naely
Hiran’anjely :
« O, mifalia ry reraka
Fa fiadanana
No andehanana ;
Fa ny Mpamonjy teraka ! »

 


Tsy misy miadana ka afa po


1. Tsy misy miadana ka afa-po
Izay monina eto an-tany;
Fa izay tia sy mino ny Tompo Jeso
No hahazo ny soa tsy lany.


Fiv :
Mba irio, mba irio
Ny hananana an’i Jeso.


2. Raha misy mahory mahazo ety
Jeso no hanala izany;
Tsarovy ny avotra tao Kalvary,
Fa nalatsany tany ny rany


3. Izao maniry hanaraka Anao,
Ry Tompo Mpanafaka ota!
Fa fantatro tsara hatramin’zao
Ny fitiavanao ahy mpanota.