Malagasy Hymn

Endrey ny hamaroan’ ny soa


Endrey, ny hamaroan’ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.


Fiv :
Eny, Raiko,
He! Ravoravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.


He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan’ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.


Tsy aiko ny hilaza izao
Hamisavisa re, ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.


Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.

 


Eo an-tananao ry Raiko


Eo an-tananao, ry Raiko! No apetrako izao Ny fiainako rehetra,
Mba tahio ny zanakao; Marobe ny fahavalo Ta-hamely ahy e;
Ry Jehovah, Ray Mpiaro! Mba arovinao anie.


Raha mbola eto aho, Zaza be fisiasia, Tia ratsy noho ny soa,
Ka mandà ny Tompo tia; Aza mba manary ahy, Ry Mpamonjy tsy mandao!
Aza manalavitra ahy, Andrao dia takona aminao.


Na ho lava, na ho fohy No hiainako ety,v Tsy mba sitrako akory Ny handà ‘zay tendrinao;
Raha, tonga anio ny andro Izay handaozako ity,
Eo an-tànanao no tiako, Raiso aho ho ary.


Eo an-tànanao, ry Raiko! No apetrako izao Aina,
tena sy fanahy, Mba vonjeo ny zanakao;
Ampianaro hahazaka Fitondrana tianao; Ilazao mba hahalala Fa izao no sitrakao.


Eny, Raiko! mba valio Izao fivavako izao,
E, jereo, ka mba tahio Izaho miandrandra Anao;
Mba sasao ny ranao soa, Dia hadio aho izao ; Ry Mpamonjy! mihainoa Ny mpanomponao izao.

 

 


Fanavaozana izay Mahagaga tokoa


Fanavaozan’izay mahagaga tokoa
Nomen’i Jeso ahy re,
Fahazavan’ny fanahy izay mahafa po
Nomen’i Jeso ahy re,


Fiv
Hatramin’izao dia endrey
Hatramin’izao dia endrey
Ny fitepon’ny foko izay ravo tokoa
Onenan’ny Tompo Jeso.


Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao
Eny, ny fahotako, izay nahavoa
Voasasany koa izao.
Hatramin’izao, sns.


Ny finoako, ny fanantenako diabe,
Ny tokiko fatratra koa,
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa.
Hatramin’izao, sns.


Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re!
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary
Mankao an-tanan-dehibe.
Hatramin’izao, sns.


Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin’izao
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao.
Hatramin’izao, sns.