Malagasy Hymn

Nahafoy ny aiko Aho


1. Nahafoy ny aiko Aho
Hanavotako anao.
Ka nalatsako ny rako,
Nisoloako anao.
He! ny aiko no nomeko
Ry mpanota very e!
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?


2. Lapan-dRaiko ao ambony,
Voninahi-dehibe,
No nilaozako hamonjy
Sy hanafa-doza anao,
‘Zay voafitaky satana
Sy nozoin-doza be;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?


3. Soa be sy mahagaga
No natolotro anao,
Famonjena tsy vidina,
Famelana ny otanao,
Fitiavan-tsy voafetra,
Lova ao an-danitra ao;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?


4. Indro Tompo! Fa omeko
Ho Anao ny tenako,
Ka tsy misy izay tsy foiko
‘zay rehetra tianao;
Eso, latsa, tsy ahoako,
Fa ny ho mpanomponao
No ho zavatra kendreko,
Raiso re ny zanakao.

 


Namely Mafy Loatra

1. Namely mafy loatra
Ny henatra aman-tahotra,
Tsy afaka ny haizim-po
Fa mbola tao ny heloko


2. Nandroso aho nivavaka
Ry Jeso ô, Mpanavotra,
Izao no angatahiko :
Mba mamelà ny heloko !


3. Izaho tsy hiahotra,
Ny tenako atolotro,
Izay rehetra ananako
Anao, Mpamela heloka !


4. Ny tahotra dia levona,
Ariako ny henatra,
Satria mandre ny feonao hoe :
« Voavelako ny helokao ! »


5. Endrey ny hafaliako
Izay velona ao anatiko !
Ka sahiko ny hanao hoe :
« Voavelanao ny heloko ! »

 


Njay reko Tompo ô


1. ‘Njay reko Tompo ô! ‘Njay re ny feonao
Miantso ahy Hianao hankany Kalvary;


Refrain :
Tompo lehibe! Raiso aho e;
Mba sasao ny ranao soa Izay tao Kalvary.


2. Malemy aho e, Ka mitaraina hoe:
Vonjeo ny aiko Tompo ô! Vonjeo ny olonao.


3.Ny fiadanam-po Mandresy ny manjo
Esorinao ny tahotro, Ry Tompo ô Vonjeo


4.Mpanota tsy manda, Ry Tompo mamela
Ny fahotako lehibe Ifonako tokoa


5. Ny foko tsy madio Mba diovinao, anio;
Maloto aho, Tompo ô! Sasao ho voadio


6. Ny foko no sasao Ka diovinao izao
Ny fahotako marobe Levony avokoa!