Malagasy Hymn

Fanavaozana izay Mahagaga tokoa


Fanavaozan’izay mahagaga tokoa
Nomen’i Jeso ahy re,
Fahazavan’ny fanahy izay mahafa po
Nomen’i Jeso ahy re,


Fiv
Hatramin’izao dia endrey
Hatramin’izao dia endrey
Ny fitepon’ny foko izay ravo tokoa
Onenan’ny Tompo Jeso.


Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao
Eny, ny fahotako, izay nahavoa
Voasasany koa izao.
Hatramin’izao, sns.


Ny finoako, ny fanantenako diabe,
Ny tokiko fatratra koa,
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa.
Hatramin’izao, sns.


Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re!
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary
Mankao an-tanan-dehibe.
Hatramin’izao, sns.


Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin’izao
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao.
Hatramin’izao, sns.

 


Fahasoavana Mahagaga


Fahasoavana Mahagaga!
Nomen’ny tompo ahy
Very aho taloha, ita indray
Jamba aho, mahiratra


Fahasoavana nampianatra
ny foko hatahotra,
Fahasoavana sarobidy
izany no iainako


Ref
Ny gadrako nafahany
Jesosiko nividy ahy;
Famindram-po mirotsaka
Fitiavana, fahasoavana


Fanantenana ato amiko
Noho ny teniny
Kapoakako sy lovako
Raha mbola velona aho


Ho levona izao hita izao
Masoandro ho maizina
Fa Jesosy niantso ahy
Ho ahy mandrakizay

 


He manda fiarovana


1. He! Manda fiarovana
Andriamanitsika,
Ampinga mahatohana
Izay manjo antsika.
Mamely fatratra,
Satana sompatra,
Mpandoza hatrizay,
Mpamitaka mahay
Tsy manampaharoa.


2. Malemy, tsinontsinona,
Fa mora resy isika;
Fa misy voahasina
Miady ho antsika;
Jesosy re izay,
Ilay iraky ny Ray,
Mpitarika mahay,
Mpamonjy hatrizay
Sy Tompom-pandresena.


3. Na dia ta-handevona
Ireo devoly maro,
Tsy misy atahorana,
Jesosy no Mpiaro.
Ilay rain’ny maizina
Dia nohelohina,
Ka tsy ahoana,
Fa teny tokana
Dia mahalavo azy.


4. Kendreny hofongorana
Ny teny tanantsika,
Kanefa tsy ho foana,
Ny Tompo momba antsika
Na dia ho fongana
Ny laza ananana,
Harena, havana
Tsy mampaninona,
Ny lanitra antsika.