Aza mba mandalo ahy
1. Aza mba mandao ahy, Ry Mparnonjy ô!
Aza mba manary ahy, Jeso Tompo ô!
Fiv :
Ry Mpanjaka, Mihainoa re!
Mamonje fa mitaraina Ny vahoakao.
2. Fantatrao fa malahelo Ny mpanomponao;
Raha mbola eto aho, Mba tsinjovinao:
3. lndro! fa miandry eto Ny navotanao;
Aoka tsy mba halahelo, Mba falio izao:
4. Eny, manomeza hery Mba ho ahy re,
Ka hahery sy handresy Ny mpanomponao:
Endrey ny hamaroan’ ny soa
Endrey, ny hamaroan’ny soa
Nomenao Ray ho ahy koa!
Ny aiko, he, navotanao,
Ny heloko vonoinao.
Fiv :
Eny, Raiko,
He! Ravoravo tokoa
Ity zanakao voavonjy re,
Ka velombelona ery.
He, azoko tokoa jeso,
Ilay perla soa, madio sy vao;
Ny zava-tsoan’ny tany re
Dia tsy ahoako tokoa.
Tsy aiko ny hilaza izao
Hamisavisa re, ry Ray;
Ny fanomezan-dehibe
Dia tsy voatonoko koa.
Ny foko no hidera izao,
Hisaotra sy hanaja Anao,
Hanoa, ho vonona hanao
Ny sitrakao rehetra.
Eo an-tananao ry Raiko
Eo an-tananao, ry Raiko!No apetrako izaoNy fiainako rehetra,
Mba tahio ny zanakao;Marobe ny fahavaloTa-hamely ahy e;
Ry Jehovah, Ray Mpiaro!Mba arovinao anie.
Raha mbola eto aho,Zaza be fisiasia,Tia ratsy noho ny soa,
Ka mandà ny Tompo tia;Aza mba manary ahy,Ry Mpamonjy tsy mandao!
Aza manalavitra ahy,Andrao dia takona aminao.
Na ho lava, na ho fohyNo hiainako ety,v Tsy mba sitrako akoryNy handà ‘zay tendrinao;
Raha, tonga anio ny androIzay handaozako ity,
Eo an-tànanao no tiako,Raiso aho ho ary.
Eo an-tànanao, ry Raiko!No apetrako izaoAina,
tena sy fanahy,Mba vonjeo ny zanakao;
Ampianaro hahazakaFitondrana tianao;Ilazao mba hahalalaFa izao no sitrakao.
Eny, Raiko! mba valioIzao fivavako izao,
E, jereo, ka mba tahioIzaho miandrandra Anao;
Mba sasao ny ranao soa,Dia hadio aho izao ;Ry Mpamonjy! mihainoaNy mpanomponao izao.