Malagasy Hymn

Avia, ry mino


1. Avia, ry mino! Hifaly sy hihoby,
Avia, avia hankany Betlehema;
Teraka Jeso, Tompon’ny anjely;


Fiv :
Avia hitsaoka Azy (x3)
Izay Tomponao!


2. Tompon’ny tompo, Andriananahary,
Nefa mba zana- behivavy koa;
Zanak’i Maria, Nefa Zanahary;


3. Derao, ry anjely, Mihobia mafy,
Ry mponina an-danitra ao ambony ao!
Dera sy laza Atolory Azy;


4. He, arahaba, Tonga aty an-tany
Ny Tompo, Mpamonjy sy Mpanjaka koa,
Tenin’ny Rainy Voatafy nofo,

 


Aza manadino ahy


1. Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!
Aza mba manary ahy
Hanalavitra Anao;
Mitodiha ry Mpanjaka!
Ka Jereo ny olonao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!


2. Hianao no fiereko,
Vatolampy, heriko!
Na kamboty aza aho,
Faly manana Anao;
Afa-tahotra ny foko,
Raha miandrandra Anao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!


3. Eny Hianao no Raiko,
Ka hatoniko izao;
Nefa ny fahadalako
Aza mba heverinao;
0! ampifalio aho,
Ka ombay ny elatrao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!


4. Tabataba lalandava
No mba hitako izao,
Ka izaho te-ho tonga
Ao am-pitsaharanao-,
Mitenena, ry Jehovah!
Mamalia ahy izao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!

 


Aza mba mandalo ahy


1. Aza mba mandao ahy, Ry Mparnonjy ô!
Aza mba manary ahy, Jeso Tompo ô!


Fiv :
Ry Mpanjaka, Mihainoa re!
Mamonje fa mitaraina Ny vahoakao.


2. Fantatrao fa malahelo Ny mpanomponao;
Raha mbola eto aho, Mba tsinjovinao:


3. lndro! fa miandry eto Ny navotanao;
Aoka tsy mba halahelo, Mba falio izao:


4. Eny, manomeza hery Mba ho ahy re,
Ka hahery sy handresy Ny mpanomponao: