Malagasy Hymn

O, ry mpanota aza mandà


1. O, ry mpanota aza mandà,
Jeso miantso ka miovà !
Mba manatona Azy izao
Izy hamonjy anao !


Fiv :
He, mivoha izao ny lanitra,
Ry mpirenireny lavitra ;
Indro Jesosy, Izy no ao,
Aiza no hisy anao?


2. Be ahiahy va hianao
No tsy mandroso faingana izao ?
Dia tapaho ny hevitrao
Ka miovà hatrizao !


3. Mba miverena re hatrizao
Ka hararaoty ny andronao ;
Fa ny aty ho simba sy ho lao,
Ka mba modia izao !

 


Rehefa antsoina ny Anarana


Rehefa tonga ny maraina feno hazayana be,
Ka maneno ny trompetran-danitra
Miangona ery am-pita ny voavonjy marobe,
Ho any koa ho any koa aho re


Refrain:
Rehefa antsoina ny anarana,
Rehefa antsoina ny anarana
Rehefa antsoina ny anarana,
Ho any koa ho any koa aho re.


Rehefa atsangana ny maty ao amin’ny Tompo Soa,
Ka mandray anjaram-boninahitra
Rehefa atsangana ny voafidy ho ary ankoatra ary,
Ho any koa ho any koa aho re.


Na maraina na hariva miasa ho an’i Jeso,
Derao fa mahagaga ny fitiavany,
Rehefa tapitra ny fiainantsika sy ny asa ety,
Ho any koa ho any koa aho re.

 


Rehear vita ny asako ety


1. Rehefa vita ny asako ety,
Ka ny fanahiko raisina ery,
Miara-mitoetra aminao,
Tomponay, No hasambarako mandrakizay :


Fiv :
Mandrakizay, sambatra re,
Azoko ilay fahasambarana be!


2. Rehefa ataoko veloma ny ety
Ka azoko ‘lay Paradisa ery,
Sady mahita ny tavan’ny Ray
No hasambarako mandrakizay :


3. Miombom-pahasamabarana ary
Amin’ireo olon-tiako taty
Ka tsy misaraka mandrakizay
No hasambarako mandrakizay :