Malagasy Hymn

Alina Masina


Alina masina, Tonga ny Mpanavotra;
Indro teraka ao Bethlehema
Ny Mpanjakan’i Jerosalema,
Izay mpamonjy anao
Izay mpamonjy anao


Alina masina, Ny anjely midina
Ka miara-mihoby hoe :
Indro ny fiadanam-be,
Jeso teraka izao
Jeso teraka izao


Alina masina, Nisehon’ny Zanaka;
Ny mazava niposaka,
Ka ny tahotra afaka;
Mifalia izao
Mifalia izao

 


Anao ny dera


Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray,
Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay
Ny fasana nivoha, noho ny herinao,
Ny Anaranao Tsitoha,tsy voatana tao.


Refrain
Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray,
Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay


Hinao nandresy, lao re ny fasana ;
Ny fanjakan’ny ota, koa lasana ,
Ny herin’ny Satana, vato nikodia,
Ny Anaranao nandresy, haharitra doria.

 


Andriananahary Masina indrindra


1.Andriananahary masina indrindra!
Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
Mifamaly hoe : Masina indrindra
Andriananahary, Telo Izay Iray.


2. Andriananahary masina indrindra!
Na tsy hita aza izao ny voninahitrao!
Masina indrindra Hianao irery.
Andriananahary, Telo Izay Iray.


3. Zava-manana aina samy mankalaza
Sady manambara Anao Izay Tompony izao;
Hianao irery no mitahy azy,
Andriananahary, Telo Izay Iray.


4. Andriananahary feno hatsarana!
He ny fitahianao izay mpanomponao.
Tsara dia tsara ny omenao azy
Andriananahary, Telo Izay Iray.


5. Andriananahary masina indrindra!
Izahay mpanomponao ta-hankalaza Anao;
Feno fahendrena, feno fiantrana,
Andriananahary, Telo Izay Iray.